Tetik’asa teleferika: Hovitaina mialohan’ny lalaon’ny Nosy izay hatao eto Madagasikara.
Dépêche 04 octobre, 12h, Tara ny fanombohan’ny asa tamin’ity tetik’asa ity saingy vinavinaina ho vita mialohan’ny fotoana hanaovana ny lalaon’ny Nosy eto an-toerana izany ny taona ho avy io. Ity lalan-jotra volomboasary ity dia hampitohy an’Anosy – Soarano – Ankorondrano – Ivandry – Analamahitsy ary Ambatobe. Mirefy 8.8km izany ary hanatsatohana andrim-by miisa dimampolo. Hihazakazaka mihitsy ity fanamboaran ity raha ny fanambarana noho io fahatarana nisy io.
