Kaominina Antananarivo Renivohitra
10 May, 14h48. Tontosa io maraina io tetsy amin’ny coliseum Antsonjombe ny fizarana vatsy 50.000 ariary ho an’ireo ankohonana sahirana. Raha tsiahivina, tafiditra ao anaty fandaharan’asa » ankohonana miarina » karakarain’ny CUA ity hetsika ity izay haharitra enim-bolana eo ny fanantaterahana izany. Ho an’ny anio, tokan-trano miisa 542 eo no nisitraka izany, ary fokontany 27 ao anatin’ny boriborintany faha5 .
