Chine : Nilatsaka ao amin’ny ranomasimbe Indianina ilay sambondanitra
Tao anatin’ny herinandro izay, velon-tebiteby ireo manam-pahaizana Sinoa sy ireo mpiantsehatra an’habakabaka amin’ny firenena maro eran-tany. Nampiakatra singa voalohany amin’ny zana-bolana azo ipetrahana, Module Tianhe eny amin’ny 450km miala ny tany ry zareo Sinoa ny 29 aprily lasa teo. Ny fusée longue marche 5B no nitondra izany singa voalohany amin’ny zana-bolana izany. Teo amin’ny fiverenan’ilay sambon-danitra tsy nisy mpanamory nanosika sy nitondra ity zanabolana ity kanefa tojo tsy fahatomombanana ka tsy nilatsaka ny potiny milanja 19.80 taonina, 33.20m ny lavany ary 5m kosa ny sakany. Efa vonona avokoa ireo fitaovam-piadina mahery vaika natao hitsenana sy hamotehana ity ampahana sambondanitra ity. Ny alahady 09 may teo no nilatsaka tao amin’ny ranomasim-be indianina akaikin’ny Maldive potik’ity sambondanitra ity araka ny fanambaran’ny South China Morning Post. Efa potika ity sambondanitra ity araka ny nambarany fa ireo potiny no nilatsaka izany an-dranomasina izany.
