Comores : Nitombo 12 ny « Instructeur CAF »
Nivoaka ny andiany « Instructeur CAF » vaovao rehefa niatrika fiofanana nandritra ny 2 volana. Tafiakatra 24 isa manoloana izany ny « Instructeur CAF » ao amin’ny federasiona ny baolina kitra ao Comores.
« Instructeur élite CAF » avy ao Algérie, Ameur Chafik kosa no nanome fampiofanan ireo andiany vaovao ireo. Marihana fa tafiditra ao anatin’ny politikan’ny fanofanana ireo tompon’andraikitry ny baolina kitra ao an-toerana napetraky ny DTN (Direction Technique Nationale) io fiofanana io. Tafiditra ao amin’ny teboka valo ny « convention CAF » sy ny federasiona mpikambana ihany koa izany. Tanjon’izy ireo ao anatin’izany ny fanofanana mpanazatra marobe manana diplaoma samihafa ao amin’ny sampana afrikana.
