Dépêches

Fampianarana : Miato ny fampianarana ho an’ny Faritra Atsimo Andrefana

Dépêche 06 mars, 12h30, Voakasiky ny fampilazana avokoa ny sekoly rehetra na miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana ao anatin’ny DREN Atsimo Andrefana sy Menabe. Miato ny fampianarana noho ny fiakaran’ny rano taorian’ny fandalovan’ny rivo-doza Freddy indray. Hiato ny fampianarana rehetra amin’ny ambaratonga: Garabola-Ambaratonga fototra-Ambaratonga faharoa-lycée ao amin’ny distrika rehetra mandrafitra ny faritra Atsimo Andrefana (Toliara I, Toliara II, Betioky, Morombe, Ankazoabo, Beroroha, Sakaraha, Benenitra, Ampanihy) sy ny faritra Menabe (Morondava, Miandrivazo, Mahabo, Belo sur Tsiribihina, Manja). Hiverina hianatra kosa ireo mpianatra ny alarobia 8 martsa izao.

Laisser un commentaire