Fananan-tany : Mila hajaina ny tarigetra « manampy vahoaka, mitsinjo vahoaka, mikarakara vahoaka »
Nisy ny fandehanana ifotony teny anivon’ny Biraon’ny Fananan-tany izay nataon’ny Minisitra tompon’andraikitra noho ny tarainan’ireo mpisitraka amin’ny fomba fiasa. Nanome baiko ny tenany araka izany ny hanovana ny fomba fiasa. Misy ihany koa ny fanambarana ireo asa laharam-pahamehana hahafahana manatratra ny tarigetra.
« Tsy maintsy tratrarina ny tarigetra dia ny hanampy, hitsinjo any ny hikarakara vahoaka. Efa adidintsika izany ka tsy tokony hatao ambanin-javatra. Mila ampifanarahana amin’izany ny fihetsika sy ny fomba fiasa rehetra. Adidy masina ity satria miankina amin’ny taniny no hiainan’ny olona ka tsy tokony hatao antsirambina. Tsy maintsy miady amin’ny olana rehetra ateraky ny Boky rovitra sy Sarin-tany rovitra ny minisitera. Vitaina anatin’ny fotoana fohy ny fanamboarana indray ny boky rovitra izay efa tokony naverina nadika efa ela », hoy ny Minisitra, Holder Ramaholimasy.
« Tsy any amin’ny foibe irery io olana amin’ny resaka boky rovitra io fa manerana ny Nosy. Ny fomba fiasa manerana ny Nosy mihitsy araka izany no tokony hatsaraina. Etsy andaniny dia mila arahi-maso akaiky ny rresaka kolikoly mambotry firenena sy mambotry ny madinika. Matetika ny mpanam-bola hatrany no mahazo ireny tany hiadivana ireny. Azo hatao ihany koa ny “digitalization », raha sarotra amin’ireo efa zokiny izany dia tsy mampaninona ny mampiditra tanora hiasa amin’izay fa efa fotoan’ny fanovana sy fahamaikana amin’izay”, hoy i Raymond, tompon-tany ao Ambatolampy Tsimahafotsy.
Ankoatra ny fampiasana nomerika, hisy koa ny sampan-draharaha fandraisana ny fitarainan’ny vahoaka amin’ny alalan’ny finday sy kaonty Facebook. Hita taratra ny mety ho fiovana amin’ny fomba fiasa aoriana kely ao satria efa nisy mpisitraka iray nahazo tombony sahady tamin’ny alalan’ny fijerena mazava ny antontan-taratasiny taon amin’ny foibe. Hirariana hahomby ny fomba fiasa vaovao.
Miora Raharisolo
