Fahasalamana : Mbola misy hatrany ny aretina covid-19
Dépêche 06 mars, 11h30, Mbola misy hatrany ireo olona voan’ity aretina ity izay havoakan’ny Minisiteran’ny Fahasalamana isaky ny herinandro. Niisa 21 ireo olona vaovao tratran’ny covid-19 tamin’iny herinandro vaovao iny raha olona iray kosa no lavo. Tsy misy kosa anefa ireo izay ao anatin’ny tranga misy fahasarotana. Amin’izao fotoana izao dia miisa 24 ireo olona marary raisina an-tanana. Izany no netina indray hamerenana ny fihetsika sakana izay tokony hizarana di any fanasana tanana matetika amin’ny savony. Mbola mila manaraka izany daholo ny tsirairay.
