Fampianarana : Hanolotra fanampiana ireo faritra voa mafy tamin’ny rivo-doza ny UNICEF
Dépêche 04 mai, 14h, Handefa fitaovam-pianarana maherin’ny 6 000 baoritra hamonjena ireo faritra marefo noho ny riov-doza Cheneso sy Freddy ny UNICEF. Miisa 132 000 ireo ankizy hisitraka izany fitaovam-pianarana izany izay avy ao amin’ny faritra Vatovavy, Fitovinany, Atsimo Atsinanana, Androy, Anosy, Atsimo Andrefana, Analanjirofo, Boeny. Natao izany hanarenana indray ny lafiny fampianarana izay nampitondra takaitra mpianatra miisa teo ho eo amin’ny 150 000.
