ActualitésTsidika

Harena an-kibon’ny tany : Ho laharam-pahamehan’ny Antenimieram-pirenena ny fehezan-dalàna momba izany

Mandritra izao fotoam-pivoriana voalohany an’ny Antenimieram-pirenena izao dia tsy maintsy hodinihina mandritra izany ny fehezan-dalàna mahakasika ny harena an-kibon’ny tany. Ankoatra ny fandinihana dia tsy maintsy ho laniana ihany koa ireo fanovana mety hisy ao anatin’izany.

« Zava-dehibe ho an’ny toe-karen’ny firenena ny hifehezana sy hanatsarana io sehatra io, indrindra ny fametrahana fanaraha-maso hentitra amin’ny fivoahan’ny harena, izay tsy ahazoan’ny firenena tombony matetika », hoy Razanamahasoa Christine, filohan’ny Antenimierampirenena.

Ankoatra izany anefa dia misy ihany koa ny fandinihana ireo fangatahan’ny vahoaka maro be. Tafiditra ao anatin’izany ny vidin-jiro miakatra kanefa ny jiro tapatapaka sy ny maro hafa. Etsy andaniny dia handaniana ny fotoana betsaka amin’ny fivoriana ny volavolan-dalàna mifehy ny teti-bolam-panjakana nasiam-panitsiana (LFR 2023). Hojerena manokana koa ny lalàna mifehy ny fampiasam-bola eto Madagasikara, sy ireo tolo-dalàna samihafa. Anisan’ny miandry koa ny fifanatrehana amin’ny Governemanta.

« Tsy azo atao tandrevaka araka izany ny fanatrehana ny fivoriana satria miantoka fiainana aman-tapitrisany ny fandraisana anjara amin’izany. Voarakitra ao anatin’ny fitsipika anatiny mifehy ity Andriampanjakana ity ihany koa ny mahakasika izany », hoy hatrany ny fanazavana.

Marihina fa samy nanomboka ny 2 mai teo avokoa ny fivoriana ara-potoan’ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimieran-doholona. Hirariana ny hitondra ny mety ho an’ny firenena avokoa izany.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire