ActualitésTatitra

Ecosse : Mihoatra ny sakafo nasionalin’i Ecosse ny « haggis »

Tranokanin’ondry fenoina na « panse de brebis farcie » ny « haggis ». Sakafo nentim-paharazan’i Ecosse izy, Na tia, na tsy tia azy, ny olona manandrana azy.Tsy fantatra mazava ny daty nipoirany saingy fantatra fa voarakitra ao amin’ny asa soratr’i Aristophane (avy any Grèce) tany amin’ny taona 423 talohan’ny vanompotoana kristianina. Mifandraika amin’ny « Vikings » kosa ity sakafo ity noho ny teny hevitry ny « haggis » mifanakaiky amin’ny teny hoe « hagga » (avy any Suède) sy ny teny « hoggva » (avy any Islande) midika hoe mitetika.Raha ny fikarakarana azy nentin-drazana kosa dia fenoina potitotika fon’ondry sy aty hafangaro amin’ny « sauce » vita amin’ny « avoine » sy « graisse de rognons » na jabora ilay fitoeran-kanin’ondry. Haroso miaraka amin’ny ovy na « navet » noporetina sy bisky masira izy. Nivoatra kosa izy taty aoriana ka efa misy ny « haggis » tsy misy hena sy ny « burgers haggis ».

Laisser un commentaire