Dépêches

MOTOMBE TOLIARY : Mpangalatra moto naratra mafy noho ny fitsaram-bahoaka

11 Febroary, 10h51. Lehilahy iray antsoina hoe Richard no tratran’ny fokonolona nangalatra moto tao Akelimarovahatse Motombe kaominina Betsinjaka Toliary ny alarobia teo tamin’ny 06 ora hariva. Tafaporitsaka izy saingy nifandrimbona nanenjika azy ny olona ka tratra ihany. Avy hatrany dia niharan’ny fitsaram-bahoaka i Richard ka naratra mafy. Natolotry ny fokonolona ny manam-pahefana kosa izy rehefa afaka ny fon’izy ireo.

Laisser un commentaire