80%n’ny asa no efa vita ao amin’ny toby famokarana rano fisotro madio any Mandroseza
21 Jolay, 08h00. Hamaha ny olan’ny tsy fahampian-drano eto Antananarivo sy ny manodidina sy hanamafisana ireo tambazotra famatsiana rano ny asa fanitarana ny toby ao Mandroseza, araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ny JIRAMA.Hamokatra rano fisotro madio 40 000m3 isan’andro ity toby famokarana rano fisotro madio ao Mandroseza II bis ity rehefa vita tanteraka ny asa afaka herinandro vitsivitsy.
