Dépêches

RN4 : Miverina amin’ny laoniny ny fifamoivoizana

31 Martsa, 13h30. Efa niverina tamin’ny laoniny nanomboka omaly 30 martsa tamin’ny 12 ora atoandro ny fifamoivoizana ao amin’ny lalam-pirenena fahaefatra, eo anelanelan’i Mahajanga sy Ambondromamy. Efa vita ny asa fanamboarana ny tetezana eo amin’ny PK 501+705 eo Antanambao, kaominina Andranolava, disitrikan’i Marovoay. Nampahafantatra ny Minisiteran’ny Asa Vaventy fa afaka mandeha, mandalo sy mivezivezy eo avokoa ny fiara rehetra.

Laisser un commentaire