Dépêches

Makis XV ladies: Afaka hampiseho ny fahaizany indray mandritra ny World Rugby Sevens

Dépêche 20 mars, 13h, Hifanandrina amin’ny Afrika Atsimo, Repoblika Tcheque ary Mexique I Madagasikara izay tafiditra ao anatin’ny Poule B mandritra ny World Rugby Sevens izay hatao any Stellenbosch Afrique du Sud. Afaka hahazo fahaizana vaovao indray araka izany ireto ekipam-pirenena Malagasy ireto sady afaka ihany koa hampiseho ny tena fahaizan’izy ireo. Fanampin’izany dia afaka hampiseho ihany koa izy ireo fa tsy kisendrasendra ny fiatrehana ny “coupe du monde” ny taona 2022. Ankoatra izany dia mbola maro ihany koa ireo lalao miandry ireto ekipa Vehivavy Rugby ireto. Mila ny fanohanan’ny tsirairay izy ireo araka izany.

Laisser un commentaire