Dépêches

Alatsinainy Pentekoty : Andro iray nanadinoana ny fahasarotan’ny fiainana

Dépêche 30 mai, 11h, Samy nanana ny fomba nankalazany ny fetin’ny Pantekoty avokoa ny olona rehetra tsy ankanavaka. Ny alahady dia maro ireo namonjy ny toeram-piangonana ho an’ireo kristianina. Ny alatsinainy izay andro tsy fiasana kosa dia samy nanana ny fomba nankalazana izany ny tsirairay. Maro ireo nitsangatsangana, tao ireo nijanona tao an-trano niaraka nikorana tamin’ny fianakaviana. Ny hitambaran’izany rehetra izany dia andro iray nanadinoana ny olana sy ny fahasarotan’ny fiainana ny alatsinainy Pentekoty. Raha oharina tamin’ny fetin’ny Paka dia vitsy kokoa anefa ireo olona nifamezivezy nandritra ny fety.

Laisser un commentaire