Dépêches

Mpiasan’ny Jirama mivarotra herinaratra amin’ny manodidina, saika namono ankizy

13 Desabra, 09h10. Mpiasan’ny Jirama ao amin’ny Fokontany Ambodiakondro Andrefana, Kaominina ambonivohitry Moramanga, no mizara sy mivarotra herinaratra amin’ny trano 30 tafo manodidina azy eo. 30 000ar isan-tokatrano no aloa amin’izany isam-bolana na toy ny ahoana fandaniana. Milevina ambanin’ny tany ireo “fil” mitondra herinaratra ka nahamay zaza sendra nilalao teo an-tokotany. Efa namùetraka fitarainana tany amin’ny tompon’andraikitra moa ireo mponina teo an-toerana.

Laisser un commentaire