Dépêches

Farafangana: Atsantsa mirefy 3 metatra no azon’ireo mpanjono

13 Desambra, 08h30. Isany tranga nahavory olona be indrindra teny amoron-dranomasina fanjonoana ity tranga niseho tany Anosinakoho Farafangana ity ny 11 desambra. Atsantsa mirefy 3 metatra ny halavany ary mavesatra dia mavesatra ny lanjany no azon’ireo mpanjono, lehibe tokoa tsy tahaka ny isan’andro. Sahirana izy ireo tamin’ny fisarihana azy tao anaty ranomasina ary saika tsy vita ny fisintonana izany.

Laisser un commentaire