Fandriam-pahalemana: Zandary iray namono ny vady aman-jannay avy eo namono tena
22 jolay, 15h 00, Zandary iray avy ao amin’ny GSIS no nitifitra ny vady aman-janany avy eo nitifi-tena ny omaly alakamisy hifoha anio zoma. Fantatra fa nisy fifamaliana teo amin’izy mivady ireo izay vao nifindra trano vao haingana. Voalaza ihany koa fa efa natory izy roa lahy kely tamin’ny fotoana nisian’ny fitifirana tokony tamin’ny 11h15 alina tany ary ny vadiny no notifiriny mialohan’ireo zanany 7 sy 2 taona. Nitifi-tena ity zandary ity taorian’izay.
