ActualitésTsidika

Fandriam-pahalemana : Jiolahy nitsoaka teny amin’ny Tribonaly no tratra tany Antsirabe

Jiolahy rain-dahiny nitsoaka teny amin’ny Tribonaly Anosy no tratran’ny Polisy tany Antsirabe. Mpanao fanafihana mitam-piadiana eto an-drenivohitra ity Jiolahy ity ary nigadra teny Antanimora.

« Rehefa noentina hotsaraina eny Anosy izy ny 11 jolay 2022 dia tafaporitsaka. Lasa nandositra tsy fantatra izay nalehany” hoy ny avy ao amin’ny Polisim-pirenena. « Nangataka fiaraha-miasa tamin’ny Polisy ireo mpiandry fonja. Nosokafana ny fanadihadina » hoy hatrany izy ireo.

Tratra tany Antsirabe 8 andro taty aoriana. Efa tafaverina any amin’ireo mpiandry fonja

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire