Ankadikely Ilafy : Misy ny fanamboarana ireo lalan-tany mampitohy kaominina roa
Misy ny ezaka ataon’ny avy amin’ny faritra Analamanga amin’izao fotoana izao, amin’ny fanamboarana sy fanatsarana ireo lalan-tany eny anivon’ny kaominina. Ny lalana mampitohy ny eny amin’ny faritra Antsahamarofoza, kaominina Ankadikely Ilafy sy Ambatofotsy kaominina Sabotsy Namehana no nasiam-panamboarana, araka ny voalaza.
« Ao anatin’ny ezaka ataon’ny faritra Analamanga ny mitondra fanamboarana hatrany amin’ireo lalan-tany mammpitohy kaominina maro eto an-toerana. Atao izany mba hanamora ny fivezivezena sy ahafahan’ireo mponina mamoaka vokatra » hoy ny avy amin’ny faritra Analamanga.
« Tena maro be ireo lalana mila fanamboarana amin’izao fotoana izao ary ny fandraisana an-tanana tahaka izao dia efa zava-dehibe eo amin’ny fampandrosoana. Hirariana mba hitohy hatrany izany ka ho vita avokoa ireo lalana ratsy mampitohy ny kaominina ety an-toerana » hoy i Haja, mponina ao Ankadikely Ilafy.
Ny lalana ny fitaovana voalohany mampisy ny fampandrosoana. Raha tsy misy tokoa ny lalana sy ny fikojana izany dia sarotra ny hiveloman’ny mponina, indrindra ny any amin’ireo kaominina ambanivohitra. Araka izany, tsy tokony ataon’ny tomponandraikitra ambanin-javatra ny fanamboaran-dalana.
Manitra R.
