ActualitésTsidika

Fandriam-pahalemana : Nahazo fanamifasam-pahalalana ireo firaisamonim-pirenena ao anatin’ny COI

Nisy ny fanamafisam-pahalalana natolotra ireo firaisamonim-pirenena tafiditra ao anatin’ny Commission de l’Océan Indien, voaray amin’izany ihany koa i France sy La Réunion. Hotanterahina eo Anosy izany fampiofanana izany mandritra ny efatra andro efa nanomboka ny talata lasa teo. Tafiditra ao anatin’ny fandaharan’asan’ny COI ho amin’ny fitantanana, fiadanana ary filaminan-tsaina (Gouvernance, Paix et Stabilité) izay vatsian’ny AFD vola ity fampiofanana ity.

« Ny firaisamonim-pirenena no mpisehatra voalohany amin’ny fisorohana ny krizy mety hitoetra ao amin’ny firenena iray. Hiompana betsaka amin’ny fomba fitarihana na ny leadership sy ny fomba fisorohana ny krizy ity fampiofanana ity », hoy ny avy ao amin’ny COI eto Madagasikara.

Ankoatra ny fampiofanana izay hampitombo lenta ny fahaizan’ireo OSC ho amin’ny fampandriana ny fahalemana amin’ny firenena hiasany dia fotoana iray fanararaotra hamantarana ny filàn’ireo OSC tsirairay ihany koa izany.

« Hofantenana amin’io fotoana io ihany koa ny asa sy ny fampiofanana hafa ilain’ireo OSC. Vinavinaina ho atsangana aorian’ny fampiofanana ihany koa ny tambajotran’ny fikambanan’ny fiarahamonim-pirenena », hoy hatrany ny fanazavana.

Miisa 40 ireo firaisamonim-pirenena mandray anjara amin’ity fampiofanana ity.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire