ActualitésTsidika

Faly Rafieferana : Mampiofanana ho « leader » ao amin’ny BTC Ambohimangakely

Mety efa teraka tao anaty sy voajanahary mihitsy ny fahaza-mitarika kanefa azo atao tsara ny mianatra azy. Betsaka ireo olona, izay harembe ho an’ny firenena ny manana azy. Anisan’izany i Faly Rafieferana, izay sady mpandraharaha, mpitarika, mpampianatra, ary mpanoratra. Firenena maro no efa nivelarany. Anisan’izany i Dubaï, izay nahatafidirany « top 50 » tamin’ny « Global teacher Prize » sy i Tanzanie izay nahavoafidy azy ho mpampianatra faha-2 mendrika indrindra taty Afrika. Nanatanteraka fanofanana izay nokarakarain’ny BTC Ambohimangakely ny tenany ny Alakamisy 10 jona lasa teo, ary mbola hitohy ny alakamisy 17 jona izao ihany izany izay hotanterahana any amin’ny BTC Ambohimangakely ihany.

Tsy mahantra akory i Madagasikara fa manana otri-karena maro sy sain’olombelona tahaka ny sain’olombelona rehetra maneran-tany. Izany no lohahevitra fakafakainy mandritra ny fampianarana ary hanomezany toky mihitsy fa olom-baovao tia mivoatra sy tia mikaroka ary hanao izay hampandroso izay mahavita ny fiofanana na indray mandeha fotsiny ihany aza miaraka aminy.

Tsy lainga tokoa izany fa nilaza mihitsy i Toky, mpanatrika fiofanana, fa tena afa-po ary tsy nanenina namonjy ity fiofanana nokarakarain’ny BTC ity ary mbola hiezaka hamonjy ny manaraka ihany ko aizy. Tetsy an-kilany, nilaza ihany koa i Nofy izay isan’ny mpiofana fa ny toy izao no tena ilain’ny firenena fa tsy ny vola avy amin’ny Banky iraisam-pirenena akory, ary raha mahazo an’ity fiofanana ity aza ny Malagasy rehetra dia ho foana ny fahantrana ka hiadana sy ho finaritra amin’izay  i Madagasikara. Tsy nisy na iray aza nanenina fa samy vaky vava fa tena marina daholo ireo voalaza tao anaty fampitàna. Hihohy hatrany ny ezaka ataon’ny BTC Ambohimangakely ny amin’ny fanamparitahana izao fiofanana io ho an’ny Malagasy rehetra.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire