Ambohimangakely: Nisy ny fivoriana notarihin’ny ben’ny tanàna
Nisy ny fivoriana izay notarihin’ny ben’ny tanàna ao Ambohimangakely, ny Alatsinainy lasa teo. Nandray anjara tao anatin’izany ny avy amin’ny kaomandin’ny brigadin’ny zandarimaria ao an-toerana; tao ihany koa ireo avy amin’ny kaoperativa ary ireo sefo fokontany isan’isany. Nanatrika izany fivoriana izany ihany koa ireo mpiasa eo anivon’ny fiadidina ny kaominina.
« Maro ireo olana sedrain’ny mponina na eo amin’ny lafin’ny zotram-pitaterana na eo amin’ny lafin’ny fandriam-pahalemana. Ny andrasan’ny vahoaka amin’izao, mba hisy ny vahaolana maharitra atolotry ny tomponandraikitra aorian’izao fivoriana izao, mba hisy fiantraikany amin’ny fiainan’ny mponina ankapobeny » hoy i Seta, mponina ao Ambohimangakely.
« Ao anatin’ny fitantanana ny kaominina na faritra iray, tsy maintsy ny fiaraha-midinika hahafahana manao tombana ireo zava-bita sy mijery ireo lafin-javatra iainanan’ny mponina. Aorian’izay kosa ireo vahoaka, miandrandra hetsika fanovana avy amin’ireo tomponandraikitra ireo » hoy i Rafidy, mpahay fiaraha-monina.
Samy miandrandra fandrosoana sy filaminana avokoa ny isam-batan’olona. Tsy vitan’olo-tokana anefa izany fa tsy maintsy misy ny fiaraha-midinika sy ny fampandraisana andraikitra ny tsirairay.
Manitra Ramanantsoa
