Allemagne : Zazavavy kely 8 taona iray tsy mbola nivoaka ny tranon’ny ray sy ny renibeny
Taorian’ny nisarahan’ny vehivavy iray tamin’ny vadiny tamin’ny taona 2015 dia nangataka ny fikarakarana feno (garde exclusive) ny zanany izy. Tsy nanaiky izany nefa tribonaly nisahana ny raharaha fa notsinjaraina ny fikarakarana ny zaza. Tsy nahafa-po ilay renim-pianakaviana io fanampahan-kevitra io ka nilaza tamin’ireo tompon’andraikitra sy ny rain’ny zaza fa hifindra any Italie.
Rehefa nanadihady ny ray aman-drenin’ilay renim-pianakaviana ny manam-pahefana dia nilaza fa niala tao Allemagne nakany Itallie tokoa ny zanany sy ny zafikeliny. Fantatra nefa taty aoriana fa tsy mbola niala ny faritanin’i Allemagne izy mianaka ireo. Nihidy tao an-tranon’ny raibeny sy ny renibeny ilay zaza hatramin’izao faha-8 taonany izao, tsy mbola nifaneranesara taman’olona izy, ary tsy nandeha tany an-tsekoly.
