Avaradrano: Tontosa soa aman-tsara ny fampianarana sy fampiofanana mahakasika ny fampivoarana mahaolona
Nisy ny hetsika fampianarana sy fampiofanana enti-mampivoatra ny mahaolona (développement personnel) izay natolotry ny avy amin’ny sampana MPIAVA (Sampana FIMPIMA, mpikabary Iarivo Avaradrano) ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana. Nampitondraina ny loha-hevitra “Sahia miavaka amin’ny tsara” izany, araka ny voalaza.
“Fahombiazana no azo hamintinana ny andiany voalohany tamin’ny hetsika avaradrano ity. “Sahia miavaka amin’ny tsara” 100 mahery ny mpikambana FIMPIMA sy olon-tsotra tonga nanatrika izany hetsika izany” hoy ireo tomponandraikitra mpikarakara ny hetsina.
“Tena nilaina be ny fiofanana, ary azo ampiharana tsara amin’ny fiainana andavan’andro, enti-mampivoatra ny tontolonao sy ny manodidina. Antoky ny fiovana sy ny fampivoarana. Hisaorana ny mpampiofana sy ny mpikarakara satria nahafantarana zavatra vaovao enti-miaina” hoy i Miora, nanaraka ny fiofanana.
Nitondra ny fampianarana sy ny fampiofanana nandritra izany moa i Hasina SAMOELINANJA. Marihina fa andiany voalohany ihany ity tontosa ity; mbola hisy kosa ny andiany manaraka amin’ity hetsika ity, raha ny voalaza hatrany
Manitra R.
