ActualitésTatitra

La Réunion : Tranom-barotra lehibe iray no hatsangana ao Zac Canabady

Tranom-barotra lehibe iray mirefy 6 106 m² no hatsangana ao Zac Canabady ao Saint-Pierre. Io tetik’asa io dia nankatoavin’ny vaomieran’ny departemanta misahana ny fampandrosoana ara-barotra tao amin’ny nosy ny 25 may teo.

Raha ny fanazavana kosa dia hisy toeram-pivaritana 11 isa eo io toerana io ary hisy toeram-piantsoanan’ny fiara iray lehibe ao amin’ny Allée Jacquot. Trano misy rihana ambaratonga 4 manomboka amin’ny R-1 ka hatramin’ny R+2 kosa no kasaina hatsangana amin’izany. Marihana fa ity tetik’asa ity dia miorina eo amin’ny tany natokana ho an’ny asa ara-barotry ny faritra.

Tafidika ao anatin’ny tetik’asa ihany koa ny fametrahana « panneaux photovoltaïque » eny amin’ny tafo eo amin’ny 1889 m² eo.

Laisser un commentaire