Ampanobe Masindray Avaradrano : Azo atao tsara ny mandraharaha manodidina ny fambolena
Sehatra be mpanao eto amintsika ny fambolena sy ny fiompiana, kanefa mbola betsaka ihany koa no tsy tafavoaka amin’io sehatra io raha eo amin’ny resaka fidiram-bola. Isan’ny olana iray lalovan’ny mponina ao amin’ny Fokontany Ampanobe Kaominina Masindray Avaradrano izao ny vidim-bary ambony raha mitaha ny fahafaha-mividin’izy ireo hany ka mampikaika ny mponina eny ifotony izany.
Raha 40 taonina isan-taona izao ny vary miakatra ao amin’ny Fokontany Ampanobe izany hoe 3,975 taonina isan-taona ny anjaran’ny olona iray. « Lafo ny vary kanefa izahay tsy mandray vola isam-bolana fa dia miandry izay vokatra miakatra kely isaky ny telo volana raha ampy rano aza izany, izay vary miakatra mantsy tsy mahavita taona iray akory » hoy i Voahirana, mponina ao Ampanobe. Raha ny antontan’isa nataon’ny « Centre National de l’Eau, de l’Assainissement et du Génie Rural » ny taona 2014 anefa dia 70% amin’ny famokarana any Ampanobe dia voly vary avokoa, kanefa mbola ny vary izay foto-tsakafo ihany no olana tsy mahatafavoaka azy, inona no vahaolana ? Efa ela no tafiditra teto amintsika ny fandraharahana izay fomba iray hampivoarana izay azo trandrahana rehetra manaraka ny eo am-pelantanana.
Azo atao tsara ny mandraharaha amin’ny resaka fambolena izay ho entina hampiakarana ny vokatra sy ny vola tokony ho azo amin’izany. Toy izany tokoa mantsy no tena fanaon’ireo firenena mandroso ireo toy i Etats-Unis, niainga tamin’ny teo am-pelatanana ary niezaka nifehy izany izy mba hampandrosoana ny firenena. Raha toy izao ny toe-tany, inona no fambolena mifanaraka amin’io ka hahazahoana vokatra be ? Izany no niaingany tany am-boalohany.
Ny tanora no tena andrandraina amin’ity resaka fandraharahana ity ary izay no antony ilazana fa ny tanora no andry iainkinan’ny firenena, tsy tokony ho sakana tsy hampandroso ny tsy fahampian’ny asa fa azo atao tsara ny mamorona asa ho an’ny tena araka izay misy eo am-pelatanana. Ny fomba na ny teknika fambolena vary izao dia misy fiatraikany amin’ny vokatra miakatra izay tena tokony hohalalinina sy trandrahana tokoa. Eo ihany ny fananganana fifandraisana izay tena ivon’ny fandraharahana satria avy amin’ny hafa no ahazahoana fahalalana vaovao. Manana tanora matanjaka maro an’isa ity Fokontany iray ao Masindray ity satria raha manodidina ny 159 ny isan’ny mponina dia 74 amin’ireo no tanora ao anatin’ny fahatanjahana izay afaka mandraharaha tsara. Tsy amin’ny voly vary ihany fa eo ihany koa ny fambolena mangahazo sy ny ovy izay vokatra tokony ho lafo tokoa raha voahodina sy voatrandraka tsara.
Tadidio fa ny olona manan-karena indrindra eto Madagasikara dia mpandraharaha isany amin’izany ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc, izay ny fambolena sy ny fiompiana no tena niseharany bebe kokoa.
Nicole Rafalimananjara
