SocialTsidika

Zazavavy valo taona no nindaosin’ny fahatesana vokatry ny fanolanana natao taminy

Mirongatra tanteraka ny herisetra atao amin’ny zaza tsy ampy taona tato ho ato. Zazavavy iray monina ao Ambatomenana no niaran’ny fanolanana andro vitsy lasa izay. Potika tanteraka vokatr’izany ny taovam-pananahany koa izany no nitarika azy tamin’ny fahafatesana.

Vokatry ny fiaraha-mientan’ny olona tsara sitra-po dia tratra ihany ireo nahavanon-doza, ary efa natolotra ny manam-pahefana avy hatrany hisorohana ny fitsaram-bahoaka. Raim-pianakaviana miisa roa, izay manodidina ny efapolo taona eo ho eo. Niteraka savorovoro teny an-toerana ity tranga iray ity, izay niafara tamin’ny fangatahan’ireo mponina ny hampitsahara amin’ny asany ireo mpitandro ny filaminana izay voalaza fa nanao tandrevaka amin’ny asany. « Malaky tokoa ny fisamborana ireo olon-tsy vanona rehefa ny vahoaka izay tena mahatsapa ny ngidiny no miara-misalahy amin’ny fisamborana. Tsy hita hatramin’izao hoe hatraiza ny fandraisana andraikitr’ireo tandroka iaro ny vozona aty amin’ny faritra » hoy i Razafiarivony Nacelie, mponina any an-toerana.

« Famonoana azy ho faty no sahaza ireo olona manao habibiana toy izao, aina solon’ny aina » hoy ny iray amin’ny fianakavian’ny maty. « Izaho sy ianao dia afaka mitaky ny fanajana ny zon’ny vehivavy, adidy raisin-tsika mivantana ny fanitsiana ireo olona mikasa ny hanitsaka izany zo izany. Sahia mijoro sy miaro ny zo fototra hananaosy ny mpiarabelona aminao raha vantany mahita na maheno trangana herisetra » hoy i Fanja, mpikambana iray ao amin’ny mpiaro ny zon’ny vehivavy.

« Ny herisetra ara-nofo dia manondro ny firaisana ara-nofo rehetra atao amin’ny herisetra, fanerena, fandrahonana na fahatairana. Manitsakitsaka ny zon’olombelona fototra io herisetra io. Tsy misy manan-jo hanery anao hanao firaisana aminao izay tsy tianao »  hoy i Johary, mpahay lalàna.

Vao tsy ela akory izay no niroso tamin’ny famolavolana lalàna mifehy ny fananganan-jaza sy ny ady amin’ny herisetra atao amin’ny zaza aman-behivavy ny Minisitera miandraikitra izany. Tsy hita hatramin’izao ny fampiarana izany lalàna izany, toa vao maika mapirongatra sy manome laka ny herisetra ny fitarazoany.

sy hitondra fampandrosoana ho an’ny firenena mihitsy izao tsy fandriam-pahalemana izao, izay saika miseho manerana ny Nosy. Ireo tsy mana-tsiny no lasibatra vokatry ny tsy fanatanterahina ny teny nomena. Voarakitra anaty velirano voalohany, fampanjakana ny fandriam-pahalemana, izay fototra iaingan’ny fampandrosoana sangy atao’ny fanjakana antsirambina ankehitriny. Ny biby tsy manan-tsaina entina nandinika aza tsy nanolana ny namany, isika olombelona izay manam-panahy indray ve no hanimbazimba ny hasina maha olona ?

Haingotiana Andriamihaja

Laisser un commentaire