Sabotsy Namehana: Mila jeren’ireo tomponandraikitra ny mahakasika ireo andrin-jiro simba
Velon-taraina ireo mponina ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana, noho ny fahasimban’ireo andrin-jiro izay ahiana hitera-doza, eny amin’ireo fokontany ao an-toerana. Manao antso avo, ary mitaraina ireo mponina manoloana izany.
“Ny ankabeazan’ny andrin-jiro ampiasain’ny Jirama ety mantsy dia mbola hazo avokoa, ary tsapa sy hita fa tena efa ela tsy nisy fanoloana ka manomboka tapaka. Noho izany dia mikirazorazo amin’ny tany ny tariby mpitondra herin’aratra, ka na dia zaza kely 5 taona aza dia hahatakatra hikasika azy. Noho izany dia tena hatahorana mafy hitera-doza » hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
“Mandry andriran’antsy ny ankamaroan’ireo mponina ety kaominina Sabotsy Namehana, noho ireo andrin-jiro efa miha antitra sy bobongolo ka ahiana hitera-doza hoan’ny vahoaka ety amin’ny Fokontany. Efa nisy ny fitaraina nalefa tamin’ny tomponandraikitry ny Jirama, saingy tsy mbola nisy ny fandraisana fepetra hatreto kanefa loza mitatao ho an’ny mponina izao” hoy i Sahondra, mponina ao Sabotsy Namehana.
Tena mampidi-doza ho an’ny olom-belona ny mahakasika ny herinaratra. Mila fanavaozana sy soloina araka izany ireny andrin-jiro hazo ireny ho fisorohana ny loza. Miandry ny fandraisana andraikitra avy amin’ny tomponnadraikitra araka izany ny mponina ao Sabotsy Namehana.
