Nosy Be : Nisokatra ny alarobia teo ny « Festival Somaroho »
Araka ny fanao isaky ny volana Aogositra dia tonga indray ny « Festival Somaroho » ao Nosy Be. Araka ny tantara dia andiany faha-8 ity tanterahina ankehitriny ity. Ny alarobia no nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ity hetsika iray lehibe mampalaza an’i Nosy Be ity. Toy ny fanao isan-taona dia hetsika ara-java-kanto sy ara-panatanjahan-tena isan-karazany no tanterahina ao an-toerana mandritra ny 5 andro sy 5 alina. Ho fanatanterahana izany dia mpanakanto maro sy mpanao fantanjahan-tena maro ihany koa no tonga any an-toerana mandray anjara sy manatrika ity hetsika ity.
« Ny tanjona amin’ity Festival Somaroho ity dia hampivoatra sy hanome lanja ny mozika Malagasy. Amin’ny akapobeny dia gadona maro no aseho mandritra ny lanonana, aseho miaraka amin’izay ihany koa ireo karazana fanatanjahan-tena atao eto Madagasikara. Efa an-taonanay maromaro no nisian’ny Somaroho teto Madagasikara ka vokatr’izany dia maro ireo Malagasy vahiny tonga mitsidika sy manatrika ny lanonana aty an-toerana » hoy ny mpikarakara.
« Ankoatra ny maha fetin’ny mozika ny Festival Somaroho dia hetsika iray anisany mahasarika mpizaha tany maro ihany koa izy ity, ary tsy mifidy na mpizahan-tany vahiny na avy eto an-toerana. Efa maro ireo mpizaha tany no liana amin’ity hetsika ity ankehitriny ka efa mihomana ny amin’ny fandraisana azy ireo ihany koa ny mpisehatra amin’ny fizahantany eto Nosy Be. Noho izany, izahay avy eto amin’ny ofisim-paritry ny fizahantany eto Nosy Be dia miara-miasa ary manohana tanteraka ny Festival Somaroho » hoy ny avy amin’ny ofisim-paritry ny fizahantany ao Nosy Be
Amin’izao fotoana izao dia Malagasy sy vahiny aman’aliny no tonga any Nosy Be hanatrika ny Somaroho. Hirika fanararaotra ity lanonana ity ho an’ny sehatry ny fizahantany, indrindra amin’izao fiverenan’ny fizahantany taorinan’ny Covid-19 izao. Ho fiaraha-miasa sy ho fanohanana ny hetsika dia maro ireo mpandraharaha no mikarakara fivahinianana mankany Nosy Be mandritra ny volana Aogositra.
Miranto Andriharisoa
