ActualitésTsidika

Alasora : Mila mitandrina rehefa mody hariva

Misy kodiaran-droa roa manenjika fiara tratra hariva eo amin’ny Domaine Alasora. Efa betsaka ireo nenjehany ary nampitandrina avy eo.

« Mitandrema hatrany ho an’ireo tsy maintsy mody alina. Efa nanenjika aho fa tsy nahatratra » hoy i Rinah, mponina eny Alasora. »“Tsy vitan’ ny fitandremana amin’ny fodiana alina fotsiny ihany izany. Mila fandraisana andraikitra avy amin’ny mpitondra amin’ny fampandriana fahalemana ny tanàna » hoy i Lanto, mpahay fiarahamonina.

« Tokony hisy ny fisavana ho an’ireo mipetrapetraka amoron-dalana amin’ny alina. Misy kodiran-droa maromaro mijanona matetika mantsy amin’iny lalana iny » hoy i Patrick, mponina mipetraka manodidina an’Alasora.

Tsara tokoa raha tohizana foana ny fisafoana ataon’ny andrimasompokonolona sy ny mpitandro filaminana eny an-toerana. Asa fivelomana tokoa mantsy no atao, izay voatery tsy maintsy hodiana alina.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire