Talata Volonondry : Nahazo jiro hanazava ny lalana miisa 15
Nametrahana jiro hanazava ny lalana miisa 15 tao amin’ny kaominina Talata Volonondry. Feno fankasitrahana izany ny vahoaka. « Mahafinaritra ny ezaka tahaka izao. Antenaina fa hihatsara ny fandriam-pahalemana noho ny hazavana » hoy i Hoby, mponina ao Talata Volonondry.
« Efa fampanantenaina nomena ny vahoaka ny hamerina ny jiro eny amin’ny andrin-jiro. Tanjona ny mba hisian’ny endrika tsara sy fahazavan’ny tanàna » hoy ny ben’ny tanàna ao Talata Volonondry. « Aoka mba samy hitandrina amin’ny fotodrafitr’asa iombonana ny vahoaka tsirairay. Ny vahoaka ihany manko no hijaly raha tsy mahay manolokolo » hoy i Toavina, manam-pahaizana mikasika ny fandrosoana lovain-jafy.
Ny orinasa Jirama no nanome tanana tamin’ny fametahana ireo fitaovana ireo. Irariana mba tena hitondra filaminana ho an’ny tanàna tokoa ny fisian’izany.
Nicole Rafalimananjara
