Vokatra cacao: Mbola mitana anjara toerana ambony ny avy eto Madagasikara
Ansian’ny mbola rehareha erak’izao tontolo izao ny vokatra cacao eto Madagasikara. Notsindrian’ny minisitra fa isika malagasy no tompon’ny « cacao fin », ary reharehantsika manerana izao tontolo izao izany. Karazana kakao hafa kely, tsy mitovy amin’ny cacao tsotra izy io. Miaka-bidy hatrany ihany koa izany cacao fin izany amin’izao fotoana izao.
« Tsara ny famokarana, tafiakatra 10 000 ariary ny kilaon’ny « cacao fin » tamin’ity taona ity raha 6 000 ariary teo aloha. 15 000 taonina kosa amin’izao ny vokatra isan-taona raha 7 000 hatramin’ny 7 500 taonina teo aloha » hoy Razafindravahy Edgard, minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana
Ny herinandro lasa teo no nanatanterahana ny “panel du cacao fin”, ny tombony azo tamin’izany dia ny hiadiavana amin’ny laharana voalohany amin’ny famokarana kakao fin, sy ny hananana ny vidiny tsara indrindra manerana izao tontolo. “Ny hiraraiana ny hampipaka izany vidiny izany eny ambony vilian’ny tsirairay. Samy tokony ahazo tombony manko amin’izao na ny mpamboly na ny Fanjakana ka hahazoana vokany tsara”, hoy I Eric, mpahay toe-karena.
Avy amin’ny fanavaozana sy fanadiovana eo amin’ny sehatra rehetra eto Madagasikara momba ireo vokatra naha-malagasy ny malagasy no antony izao fiakaran’ny vokatra sy ny vidimbokatra izao. Tsara raha toy izany avokoa ny famokarana rehetra eto Madagasikara hahazoana tombony tsara kokoa hatrany.
Miora Raharisolo
