Dépêches

Maurice: Tovovavy Malagasy nanary ny zanany tao anaty fiaramanodina

03 Janoary, 08h00. Tovovavy teratany Malagasy manodidina ny 20 taona eo, hamonjy asa any Maorisy no nanary ny zanany lahy kely tao anaty fiaramanidina. Mpiasan’ny seranana iray no nahare feon-jaza nikikika nitomany raha vao nigadona teny amin’ny seranam-piaramanidina Plaisance, Maurice ilay fiaramanidina. Avy hatrany dia nanao ny fikarohana ny tenany ka taratasy mihoson-drà no hitany ary zazalahy kely vao teraka mbola velona no teo akaikiny.

Laisser un commentaire