Ambovombe : Fanafody lany daty 134 boaty nodorana
Dépêche 29 décembre, 14h, Nahatrarana fanafody lany daty miisa 134 boaty tao Androy. Karazana fanafody maro izany ary nisy hatramin’ny ranom-panafody entina hitsaboana olona. Nodorana avy hatrany tany Ambovombe ireto tratra ireto. Tsara ny manamarika fa lasa poizina ny fanafody ka mahafaty raha lany daty vao hampiasaina. Entanina noho izany ireo tompon’andraikitra rehetra amin’izany mba hitsinjo ny vahoaka sy ny mpanjifa satria manavotra aina ihany koa ny fivarotana ara-dalana.
