ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Mitohy hatrany ny fanarenana ny lalana

Mitohy ny fanarenana sy ny fanaraha-maso ataon’ny kaominina Ankadikely Ilafy an’ireo lalana rarivato. Nasiam-paneranana ny lalana mampitohy an’i Nartah sy Androhibe.

« Tena manelingelina sy miteraka fahavoazana ho anay mpampiasa ny lalana ratsy tahaka izao. Isaorana ny kaominina mahalala hatrany izay mahasoa » hoy i Bernard, mponina eny Androhibe. « Mitohy hatrany ny ezaka. Tsy mijanona raha tsy tojo amin’ny tanjona : ny fandrosoana » hoy ny avy ao amin’ny Kaominina. « Tokony ho samy sarotiny amin’ny fikojakojana ny fotodrafitr’asa ny rehetra.

Fananana iombonana ireny, izay ho ampiasain’ny taranaka any aoriana » hoy i Martin, manam-pahaizana mikasika ny fampandrosoana lovain-jafy. Rehefa simba tokoa ny lalana dia tompon’nadraiki-panjakana no ambara fa tsy manao ny asany. Iza anefa no nanimba sy tsy nahay nikolokolo ? 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire