SocialTsidika

Fahasalamana : Nohavaozina ny « annuaire » an’ny mpampivelona

Miroso hatrany amin’ny fanavaozana ny sehatr’asa misy azy ny Holafitra sy ny Fikambanan’ny Mpampivelona eto Madagasikara. Tontosa ny fampahafantarana ara-pomba ofisialy teny Andavamamba ny fanavaozana ny « annuaire » an’ny Mpampivelona eto Madagasikara.

« Misy ny lisitr’ireo mpampivelona am-perinasa sy ny toerana hiasany izy ity. Azon’ny daholobe tsidihana izay ao amin’ny tranokalan’ny mpampivelona izany » hoy ny ny avy amin’ny holafitry ny mpampivelona. « Mifanome tanana amin’zy ireo amin’ny fanatanterahana ny fanatsarana hatrany ny sehatra ny Ministera » hoy ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.

« Miantoka anjara toerana lehibe mikasika ny fahasalaman’ny reny bevohoka sy ny zaza latsaky ny dimy taona ny mpampivelona na ny rasazy » hoy i Noro, mpianatra mikasika ny fitsaboana eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo.

Antoka iray hanatsarana ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana tokoa ny fananana mpampivelona ampy traikefa. Mifameno ny mpampivelona sy ny mpitsabo amin’ny fandraisana an-tanana ny fahasalaman’ny vahoaka.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire