ActualitésTatitra

Mayotte : Tafiditra ao amin’ny lisitra nasionalin’ny vakoka ara-kolontsaina tsy azo tsapain-tanana ny « Mbiwi »

Dihy nentim-paharazana ao Mayotte ny « Mbiwi ». Ireo vehivavy no manao azy, zava-kanto voafehin’izy ireo tsara izany ary nampitaina isanan-taranaka. Misy ny vehivavy mandihy mandritra sady mikapoka hazo fisaka mandritra izany dihy izany ary didinina vehivavy maromaro mikapoka hazo fisaka maromaro arahina mozika nentim-paharazana.

Tsy mifanalavitra amin’ny dihy fanaon’ireo vehivavy ao Antsiranana ny « Mbiwi ». Ao Mayotte dia noheken’ny ministeran’ny kolontsaina ny fampidirana izany ao amin’ny vakoka ara-kolontsaina tsy azo tsapain-tanana.Marihana fa efa tamin’ny volana jona no nivorian’ny komitin’ny lova ara-poko sy tsy azo tsapain-tanana tao Paris ny amin’ny fanasokajiana io dihy io ho vakoka.

Manan-karena kolontsaina i Mayotte ary efa maro ireo fomba amam-panaony voarakitra ao amin’ny vakoka ara-kolontsaina toy ny « Mawlida Shenge ». Mbola maro ihany koa nefa ireo tian’ny nosy hamapahafantarina toy ny « Debaa », « Chigoma », « Tani Malandi » (tany malandy amin’ny teny malagasy)…

Laisser un commentaire