Talata Volonondry: Nisitraka fampianarana famokarana zana-kazo ireo fikambanan’ny vehivavy
Nisitraka fampianarana famokarana zana-kazo ireo avy amin’ny fikambanan’ny vehivavy, avy ao amin’ny kaominina Talata Volonondry, ny faran’ny herinandro teo. Nitarika izany moa ny vadin’ny ben’ny tanàna, avy eto amin’ny DREDD Analamanga, araka ny voalaza.
“Hisaorana ireo mpandray anjara rehetra tamin’ny fampianarana ity, indrindra ireo mpampiofana avy ao amin’ny DREDD Analamanga. Izao fampianarana izao moa no natao dia mba hahazoana mamokatra zana-kazo ety ifotony ka hampitombo ny velarana ho rakotra ala” hoy ny ben’ny tanàna miadidy ny kaominina.
“Zava-dehibe ary tombony foana ny fanarahana fiofanana ho an’ny fanatsarana sy fanitarana ny fahaizana ara-pahalalana. Ny fambolen-kazo izay iaraha-mahafantatra fa tsy ataotao foana fa misy teknika sy fikarakarana mila atao, ka hisaorana ireo mpampiofana nizara sy nampahafantatra izany” hoy i Sandra, avy amin’ny fikambanana.
Misongadina ireo fikambanan’ny vehivavy ao amin’ny kaominina Talata Volonondry amin’ny fandraisana andraikitra sy ny fisitrahana fiofanana. Zava-dehibe tokoa izany mba hampivelatra sy hitondrana fampandrosoana ny tanàna. Ny fambolen-kazo izay tsy azo atao ambanin-javatra tokoa satria miantoka ny ho avin’ny taranaka any aoriana.
Manitra R.
