Inde : Nasain’ny mpampianatra iray nifandimby namelaka tehamaina ny mpianatra iray ireo iray kilasy taminy
Tao amin’ny sekolim-panjakana Neha, Muzaffarnagar tao Uttar Pradesh no niseho ity tranga ity. Nasain’ny mpampianatra iray antsoina Tripta Tyagi nifandimby namelaka tehamaina mpianatra iray ireo mpianatra rehetra tao an-dakilasy. Raha ny fanazavana dia tsy nahavita ny entimody ilay zazalahy kely nofelahina io.
Azo horonantsary io tranga io ary re tao anatin’izany ilay mpampianatra nangataka tamin’ny mpianany mba hamelaka mafimafy ilay zazalahy kely. Niparitaka kosa izany horonantsary, nitaraka resa-be sy fanakianana maro ka nanokatra fanadihadiana ireo tompon’andraikitra. Nilaza kosa ilay mpampianatra fa noho ny fahasembanana ara-batany dia tsy afaka nanasazy manokana ilay zaza izy, antony nangatahiny tamin’ireo mpianatra hanao izany.
Nanambara kosa ny rain’ilay zaza niharan’ny herisetra fa tsy handefa ny zanany ao amin’io sekoly io intsony.
