Ambohimangakely: Mahazo vahana indray ny tsy fandriampahalemana
Miverina indray ny tsy fandriam-pahalemana ao amin’ny fokontany Behintsy, kaominina Ambohimangakely. Toka-trano iray indray no lasibatry ny asan-jiolahy ny alin’ny alatsinainy, ifoha talata teo.
“Nisy nangalatra ny alin’ny alatsinainy teo ny varavaram-by teto, izay varavarana vy lehibe misy fitaratra ny iray. Varavarankely kosa ny telo. Hiangaviana ireo mpiara-monina mba hampandre na hiara-hiasa amin’ny mpitandro filaminana raha mahita na misy mivarotra ireo varavarana ireo” hoy ireo niharan’ny fangalarana.
“Lasibatry ny asa ratsy indray amin’izao fotoana ireo varavarana, indrindra ireo mipetraka amin’ny trano tsy mbola misy mipetraka na vao vita. Hanaovana antso avo amin’ny tomponandraikitra sy manam-pahefana satria mitaintaina-dava ireo mponina manolona ny tsy fandriam-pahalemana” hoy i Hoby, mponina ao Ambohimangakely.
Manjaka ny tsy fandraim-pahalemana ao amin’ny kaominina Ambohimangakely. Hanaovan’ny mponina ao an-toerana antso avo sy fitarainana ny tokony handraisana fepetra mahakasika izany sy ny tokony hijerena izany akaiky.
Manitra R.
