ActualitésTatitra

Maurice : Toarana mampiavaka ny nosy ny « gorges de Rivière Noire »

Valan-javaboahary iray niforona 5 jona 1994 tao Maurice ny « Parc national des gorges de Rivière Noire » na « Black River Gorges National Park ». Ao atsimo andrefan’ny nosy no misy azy. Misy ivon-toeran’ita roa ao amin’io valan-javaboary io, ny voalohany ao Pétrin ary ny faharoa ao Grande rivière noire.

Tafiditra ao amin’ny valan-javaboahary « réserve de biosphère » ny « Gorges de Rivière Noire-Bel Ombre » izay neken’ny Unesco tamin’ny taona 1977. Maro ny biby mampinono avy ao Mascareignes sy eto Madagasikara hita ao amin’io toerana io. Isan’izany ny sokona sy ny ramanavy antsoina hoe « roussette noire ». Ny karazam-borona na « faune aviaire » nefa no tena mampiavaka ny toerana. Ahitana karazam-borona tsy fahita eran’izao tontolo izao ny nosy toy ny : crécerelle de Maurice, perruche de Maurice, pigeon rose, échenilleur de Maurice, bulbul de Maurice, zostérops gris de Maurice, oiseau blanc, foudi de Maurice (karazana fody).

Laisser un commentaire