Afrique du Sud : Mbola tsy hita i S’busiso Nkosi
Tsy hita efa ho telo herinandro izao i S’busiso Nkosi, mpilalao Rugby ao amin’ny Vodacom Bulls. Raha ny tatitrin’ny mpikambana ao amin’io kbioba io dia efa ny 11 novambra izy ireo no nifanerasera tamin’io mpilalao baolina lavalava io farany. Rehefa nifampidinika tamin’ny fianakavian’i S’busiso Nkosi izy ireo dia nanokatra raharaha fanjavonana ny 17 novambra.
Raha tsiahivina dia efa tompondaka eran-tan’ny Rugby niaraka tamin’ny Springboks i S’busiso Nkosi ny taona 2019. Tokony hiatrika ny United Rugby Championship miaraka amin’ny ekipany izy amin’izao fotoana saingy izao tsy hita popoka izao.
