Ambohimangakely : Notokanana ny trano fitaizana sy fanabeazana ankizy ao Betsizaraina
Nahazo trano fitaizana sy fanabeazana (akany) ireo ankizy sy tanora ao an-toerana, ao amin’ny fokontany Betsizaraina, kaominina Ambohimangakely. Notanterahina tamin’ny faran’ny herinandro teo ny fitokanana izany, izay notarihin’ny ben’ny tanàna miadidy ny tanàna.
“Fanokanana Akany teto amin’ny fokontany Betsizaraina, izay trano ho an’ireo tanora sy ny ankizy. Entina ihany koa hanabeazana sy hanaovana fiofanana ary ny sehatra fampianarana ho an’ireo ankizy eto an-toerana hatrany” hoy ny tomponandraikitra avy ao amin’ny kaominina.
“Ny fananganana izay trano izao moa no tontosa dia noho ny fiaraha-miasa niaraka tamin’ireo fikambanan’ny mponina ety amin’ny fokontany (FTA) sy ny kaominina Ambohimangakely ary ireo mahalala tanana sy mpiara-miombon’antoka rehetra” hoy hatrany ny fanazavana.
Faly moa ireo ankizy tao an-toerana amin’ny fahavitan’izao akany izao. Amin’ny maha toeram-panabeazana sy fitaizana ny akany moa dia mila fanohanana sy fanampiana hatrany ny ivon-toerana mba hanohanana ireo ankizy sy hamaliana ny filàn’izy ireo handratovana fahalalana, hianarana zava-baovao.
Manitra R.
