Tsy manana ny fahafahana mandefa ny zanany hianatra intsony ny ray aman-dreny
Tsikaritra tato ho ato fa maro ireo ankizy niala an-daharana any an-tsekoly. Isan’ireo voka-dratsy nateraky ny valan’aretina covid-19 izany nohon’ny fikatonan’ny orin’asa hany ka maro ihany koa ireo ray aman-dreny very asa ary voatery manajanona ny zanany amin’ny fianarana.
Na eo aza ny fisian’ny sekolim-panjakana, izay fantatra fa tokony ho maimaim-poana ny fampianarana eny anivon’izy ireny dia tsapa fa niha nihidina ny taha-pahavitrihan’ny ray aman-dreny hadrotsaka ny zanany any an-tsekoly. « Anisan’ny zo fototry ny zaza anefa ny hianatra » raha ny nambaran’ny tompon’andraikitra iray ao amin’ny Unicef. « Tao anatin’iny valan’aretina iny dia nisy ny lamina vaovao teny anivon’ny EPP fa tsy maintsy nandoha vola 5 000ar isam-bolana isaky ny ray aman-dreny manan-janaka mianatra ao amin’ny sekoly mba ho fanampiana sy fitsinjovana ireo maitre FRAM. Ankehitriny kosa dia nilaza indray ny Talen-tsekoly fa 5 000ar isaky ny zaza mianatra no aloha amin’ny fidirana ho avy io. Tsy vitsy amin’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra anefa no tsy an’asa sy very asa ka tsy afaka ny andoha izany hany ka voatery manala ny zanany tsy hanoy fianarana intsony » raha naneho ny heviny i Vanintsoa, reny mampiana-janaka ao amin’ny EPP Ankadifotsy I. « Tokony hitady vaha-olana amin’izao toe-draharaha izao ny Minisitra mpiahy fa ny EPP sy ny CEG ary ny Lycee dia natao ho fitsinjovana ireo zanaky ny sahirana, ary fampianarana maimaipona no atao eny raha araky ny tokony ho izy » hoy indray Marianne.
Ny zaza tokoa no hoavin’ny firenena ka tsara raha mbola dien’ny eny amin’ny fanabehazana fototra izy ireo dia volavolaina ho olom-banona sy ampianarina. Mampiteraka resa-be eo anivon’ireo ray aman-dreny mampiana-janaka eny amin’ireny sekolim-panjakana ireny ankehitriny ity fisian’ny fitakiam-bola ankoantan’ny saram-pisoratana anarana ity.
Fanja Rakotoarisoa
