ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Nisehoana vaky trano niaro fandratrana olona

Nitrangana vaky trano niaro fandratrana olona tao amin’ny fokontany Ikianja Ambovokely, kaominina Ambohimangakely, tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo. Tsena fivarotana enta-madidinika no lasibatra nandritra izany, araka ny voalaza. Naratra vokatry ny tsatok’antsy nahazo azy ihany koa ny raim-pianakaviana, tompon’ny tsena.

« Notapahin’ireo olon-dratsy ny vy fietahan’ny fanalahidy roa izay mifanao ambony sy ambany tamin’ilay tsena. Rehefa tafiditra izy ireo dia nalainy avokoa ny entam-barotra rehetra sy ny vilany. Taitra noho izany ilay raim- pianakaviana tompon-trano, ka vao ihiditra ny trano dia niady nanohitra ireo mpangalatra ka voatsindrona antsy tamin’izany ny tendany, avy eo dia nandositra ireo olon-dratsy » hoy ny avy amin’ny zandarimaria.

« Efa tena mahavanon-doza ny olon-dratsy amin’izao fotoana izao. Mila mailo ny rehetra ary tokony hiara-hientana hatrany amin’ny fanenjehana ireo mpanao asa ratsy » hoy i Collette, mponina ao Ambohimangakely.

Raha vao naharay antso moa ny avy ao amin’ny zandarimaria avy ao Ambohimangakely no nijery teny ifotony avy hatrany ny zava-misy teny an-toerana. Efa nahazo fitsaboana sahaza azy teny amin’ny hopitaly ilay raim-pianakaviana naratra. Mitohy kosa ny fikaroham-baovao hitadiavana ireo olon-dratsy sy ireo entana very nandritra izany.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire