La Réunion : Handray mpiambina ny fandriampahalemana 1 000 isa ny polisy nasionaly
Nanao fanambarana ny polisy nasionalin’i La Réunion ny alatsinainy teo fa handray mpiasa 1000 isa iy ireo. Mpiambina ny fandriampahalemana (gardien de la paix) no horaisaina amin’izany. Efa manomboka ny fisoratana anarana ary tsy hifarana raha tsy ny 6 janoary 2023 izao.
Misokatra ho an’ny olona rehetra manana ny hasin’ny fanoloran-tena, herim-po ary fahamarinana io asa io. Msy nefa ny fepetra tsy maintsy arahina amin’ny firotsahana amin’izany : teratany frantsay, manana bacc, eo anelanelan’ny 17 hatramin’ny 45 taona, matanjaka ara-batana, ara-dalana ny adidy amin’ny fanompoana nasionaly, madio ny firaketana heloka bevava.
Azo atao ny misoratra anarana ao amin’ny : https://www.devenirpolicier.fr/nous-rejoindre/concours-externe/gardien-de-la-paix
