Canada : Tovolahy iray voasambotra, nitondra fitaovampiadiana
Nilaza ampahibemaso ity tovolahy antsoina hoe William Rainville, 24 taona, fa te hahazo fahaleovan-tena ara-bola amin’ny faha 40 taonany, izy izay mpanolo-tsaina ny vondrona Desjardins. Kanefa voasambotra niaraka tamina basy 249 izy tsy lavitra akory ny tranony izay nanamoronja ny sisin-tany Canado-americaine any Montérégie. Olona tia sy nilofo tamin’ny fianarana anefa i Rainville raha ny resaka nataon’ireo akaiky azy. Nanana fitaovam-piadiana mampatahotra izy na izany aza hoy polisy ka tsy maintsy nosamborina. Ary ambonin’izay, tsy ara-dalana akory ireo entana tratra teny aminy ireo. Saika hita tao avokoa ireo fitaovana ampiasain’ireo tafika hoy ny Ekipa nationaly manohana ny fampiharana ny lalàna amin’ny fitaovana enti-miady, izay niara-niasa tamin’ny fanadihadihana.
