République Démocratique du Congo : mahazo vahana ny herisetra atao amin’ny vehivavy.
Nanohitra ny fanaovana hetsika ireo vehivavy ao antsinanan’i Congo satria amin’izao fetim-behivavy izay, tian’izy ireo ny mba hahatsiarovana ireo vehivavy iharan’ny herisetra any an-toerana. Tsy azo atao anefa ny hetsika toy izany any an-toerana noho ny krizy ara-pahasalamana misy vokatrin’ny Covid-19 ka izao. Nomarihan’izy ireo fa anisan’ny endrika tsy firarahiana ataon’ny mpitondra izany eo ihany koa ny tsy fisian’ny hetsika hiarovana ny vehivavy amin’ny herisetra. Hany ka fikambanana maro samihafa no mijoro sy miaro ny vehivavy any. Notanterahana tao amin’ny Katedralin’i Bucavu ny hetsika izay miendrika fivavahana hahatsiarovana azy ireo satria efa an’arivony ireo vehivavy iharan’ny fanolanana any RDC. Toy ny tranga tamin’ny septambra lasa teo, vehivavy bevohoka telo no naholana olona mitam-piadiana tsy fantatra tany amin’ny Park Verunga.
