Inde : Mijaly ny ankizy vavy.
Efa mivoatra mankany amin’ny fampitovian-jo ny zazavavy ny maro ankehitriny ny firenena eran-tany. Firenena isany mbola miaina ao anaty fitondràna mitanila sy manome lanja kokoa ny lehilahy ny any Inde amin’izao fotoana izao.Fikambanana any Inde no nandray an-tanana ireo ankizy sy nihaino no tarainan’izy ireo. Tsy manan-jo haneho hevitra ireto ankizivavy ary voatohitohina tanteraka eny anivon’ny fiarahamonina misy azy ireo.Tsy manaiky ny fampidirana an-tsekoly ireo ankizy ny ray aman-dreniny noho ny tsy fananany zo ho amin’izany fandraisana an-tanana ny ho avy izany. Ny raharaha ao an-trano ihany no anjara asan’ny vehivavy araka ny kolontsainy. Rah any fombam-piainana’izy ireo rehefa manam-bady fotsiny ny vehivavy iray dia efa tafita ary milamina ny sain’ny ray aman-dreny.
Tsy azo antoka nefa ny ho avin’ny ankizy ka antony nahatonga fanentanana tany an-toerana. Mahatsiaro manokana ireo zazavavy ireo araka izany ny sekoly “Pardada Pardadi” any an-toerana, ka nanome tolon-tanana maimaim-poana teo amin’ny lafiny fampianarana, teo ihany koa ny tohana ara-tsakafo ary ara-pahasalamana ho an’ireto ankizivavy. Nisy ihany koa ny firotsahan’ity fikambanana ity an-tsehatra tany an-tokatranon’ireo mpianatra ny amin’ny fanentanana sy fanakanana ny fanambadian’ny ankizy any Inde mialoha loatra.
